Madagasikarako Lyrics
- Genre:Soul
- Year of Release:2019
Lyrics
Misy toerana anankiray ato am-poko
Ho an'ilay nosy iray izay tsy foiko
Nosin'ny hiran'ny fahazazako
Mbola reko koa injay manakoako
Isan'andro isan'andro aho mahatsiarotsiaro anao
Ela izay aho tsy nahita anao
Isan'andro isan'andro aho manantena ahita anao
Indray andro any hiverina aminao
Ianao ry Madagasikarako
No nipoiran'ny tantarako
Nanome ahy ny anarako
Tanindrazanay malalako
Ity hira ity ho anao ry taniko
Fa ny toerana rehetra nindramiko
Dia azoko lazaina fa tsisy mamiko
Mihoatra noho ianao 'lay tena ankaniko
N'aiza n'aiza misy anay
'Zahay zanakao mandrakizay
Enganie indray mba ho tafaray
N'aiza n'aiza misy anay
Ka ny mba any vavakay
Ianao ho sambatra amin'izay
Ianao ry Madagasikarako
No nipoiran'ny tantarako
Nanome ahy ny anarako
Tanindrazanay malalako
Misy feo any ho any tsaroako
Gadon-kira maromaro tsara loko
Manaraka ahy n'aiza n'aiza a!
Ny kolon-tsaina izay nitaiza a!
Mampatsiahy ahy isan'andro
Ny tany nahitako masoandro
N'aiza n'aiza misy anay
'Zahay zanakao mandrakizay
Enganie indray mba ho tafaray
N'aiza n'aiza misy anay
Ka ny mba any vavakay ianao ho sambatra amin'izay
Ianao ry Madagasikarako
No nipoiran'ny tantarako
Nanome ahy ny anarako
Tanindrazanay malalako
Ianao ry Madagasikarako
No nipoiran'ny tantarako
Nanome ahy ny anarako
Tanindrazanay malalako