Loading...

Download
  • Genre:Hip Hop & Rap
  • Year of Release:2021

Lyrics

YEAH YEAH

LAZ

Ho hiraiko amin'ilay feon-kira kobon'ialahy



Nomena fitaovana aho ho an'ny fiarahamoniko mba handraisako anjara

Hanoratra fotsiny, fa tsy hoe akory hijoro ho mpitsara

Apetrako eto ity, tsy hoe rivotra sendra miserana

Fa sary hiraikitra an-tsaina ary tsy hanam-pahataperana

Dia hametraka iray aho, ho fankasitrahana ireo akamako

Ireo ananako fahatokisana na eo amin'ny havia na amin'ny havanako

Tsy naka tambiny nifampizara amin'ny revy hiondanako

Tsy ireo izay sary nandalo tsy nahatsapa ny fihavanako


(Raha mbola tratriny ny heriko mbola eto foana mi-RAP aho

Mbola hanoratra ny hadalako sy izay rehetra mapi-tapy ahy)


Eto amin'ny MIC aho manana adidy amin'ireo zandry kely

Ketreho foana fa mbola ho tafa io miandry kely lesy

Tsy haniraka an'ilahy velively, ho jiolahim-boto

Fa hanana fomba fisainana Bonetra tsy handairan-doto


Ho ezahiko taizaina anatina vazo ny mpiara-belona

Ny andalana izay ho soratako ho hery eo amin'ny fiarahamonina hamelona indray

Ho antsipiko am-pitiavana ho an'izay mandray

Androany mba RAP GASY indray no ataontsika hampifandray


Izay tsapa (Ho an'lah)

Hitondra soratra (Ho an'lah)

Natao hitoetra (Ho an'lah)

Hitondra fiainana (Ho an'lah)

Ho fanalahidy

Hanokatra ny saina mihidy

Ho soratana mba hiraikitra any am-para any ho tadidy

(X2)


Ho an'i Madagasikara, tsy hitsahatra foana aho ny hanambara

Mba ho soratra hanome anatra ny taranaka amam-para

Mba ho ady , hitondra vokany izay nandaniana rora

Tsy ilaina ho ampiasaina sandry fa hiangaliana mora

Hiangaliana mora hanome fanahy sy fitiavana

Hitondra fiarahamonina vaovao mahay miara-miavana

Izay nambolena, any aoriana any miara-mioty

Amin'ny tanjona iriana dia irariana ho samy ho tody


(Raha mbola tratriny ny heriko mbola eto foana mi-RAP aho

Mbola hanoratra ny hadalako sy izay rehetra mapi-tapy ahy)


Ry mpanara-dia nataoko ity vazo ity ho fanomezana

RAp Manoratra ity fa tsy rap ifampi-fehezana

Fijery miabo no fafazana,

Na inona na inona tsy fihetezana

Ny tanjona iraisana, na mazana ifankaherezana

Henoy am-pitiavana rehefa ambanimbany motivaka

Henoy isan-andalana rehefa ilay resy tady ho kivy

Ho ataoko sorakaliana hiangaliako amin'ny fomba miavaka

Hamelona ny fanatenana rehefa iny tady ho dify


Izay tsapa (Ho an'lah)

Hitondra soratra (Ho an'lah)

Natao hitoetra (Ho an'lah)

Hitondra fiainana (Ho an'lah)

Ho fanalahidy

Hanokatra ny saina mihidy

Ho soratana mba hiraikitra any am-para any ho tadidy

(X2)


Dia hamaranako azy, fanamby ampetrako iray ity ny ahy mba ho Combat

RAP tsy miala hatramin'ny farany dia izay raha ny momba ahy

Isaky ny andalana ho soratana hanome hery ho ahy

Miampita ary mitazona an'ialahy mafy tsy ho very io oa

Ny ahy ho ataoko ho Positif foana io bandy eo

Ary sady tsy hirisarisa hiandry an'izay tsy hapandeha

Asa soratra mety hitondra fandrosoana, na bitiny kely dia efa izy

Na kely ary dia efa izy



Izay tsapa (Ho an'lah)

Hitondra soratra (Ho an'lah)

Natao hitoetra (Ho an'lah)

Hitondra fiainana (Ho an'lah)

Ho fanalahidy

Hanokatra ny saina mihidy

Ho soratana mba hiraikitra any am-para any ho tadidy

(X2)

Similar Songs

+

      -   or   -

      -   or   -

      NG +234
          -You can log in via below methods-
          Reset password via e-mail
          -or-
          Reset password via e-mail
          Feedback on resetting password
          * It may take a longer time

          Please Select A Playlist

          Add New Playlist

          Share on

          Embed: Love & Light EP

          Custom Size :

          • Default
          • Desktop(300*600)
          • Mobile(300*250)

          Type :

          • HTML/HTML5 (WordPress Supported)
          Get Boomplay Premium
          for
          Payment Method
          Pay With
            Review and pay
            Order Date
            Payment Method
            Due Today
            Flutterwave
              Subscription Successful

              Congratulations! You have successfully activated Boomplay 1 Month Premium.

              Now you have access to all the features of Boomplay App.
              Payment Failed

              Please check your balance and then try again.

              You'll lose your subscription if we don't have a working payment method for your account, so please check your payment details.
              Need help? Contact Boomplay Subscription Support.
              Payment Processing...
              10 s

              Payment is being processed by . Please wait while the order is being comfirmed.

              Payment Processing
              Your order is processing, and it may take up to a few days for the service provider to handle your payment. Please kindly stay tuned and check your order status in ‘User Center’.
              About Order Status