Loading...

Download
  • Genre:Hip Hop & Rap
  • Year of Release:2021

Lyrics

Misaotra, niady ianao ary tsy afa nanôtra

Nanaiky, satria nalahatr'ilay any an'koatra

Na, teo ny hafenon'drano be loatra

Nampahery ahy ato anaty ilay anatrao be noho ny mihoatra

Misaotra, fa izay navelanao tsy ho foana

Apetrako ity no sady veloma ary mandram-pihaona

Mandram-piandry an'izay, fetran'ny fotoana

Tontolo fotsiny no hafa fa ato am-ponay ianao eo foana

Lasam'borona rehefa iny mahatsiaro ilay zoma hariva

Hoe inona no hitranga rahampitso maraina

Mbola nitsabo ary nanantena na ny hery efa hita mie-iva

Saingy tsy antsika no mametra ny aina

Ny maraina tokoa, tapitra ny anao ny adidy

Ny rehetrarehetra samy gina tsisy nanan'tsafidy

Nitanondrika nangina, ny rora nangidy

Nanaiky fa olombelona miaina tsy natao handidy


Mahatsiaro ireo tsikinao indraindray iny

Manantena, mbola hihaona indray andro

Veloma ihany (yeah.veloma fotsiny ihany, mandram-pihaona)

Tsy ho adinonay, ny anaranao


Tsapako fa mafy noho ny mafy ny fanaovam-beloma an'tany

Lasa mitamberina daholo izay rehetra tany aloha tany

Nandinika ary niezaka sy nanontany tena

Ny valiny, fandalovana ny eto an'tany

Ka, ireo dimby sy fara ny ahy ataoko mandova ny anaranao

Mba samy ahazo anjara amin'izay teny nambaranao

Ho anatra mipetraka rahatrizay ny tantaranao

Mba hitondra rindran-damina vaovao ny fiakaranao

Dia androany indramiko kely ilay hoe"Raha hifandao"

Mba ho fahatsiarovana anao tamin'ireo soa natao

Dia androany avoakako eto izay tsy voaborako tao

Ho tsipim-panohizana, amin'ireo tanjona saika hatao

Ho fanomezako voninahitra farany amin'izay kely ananako

Izay vao sahiko ny manoratra na dia efa ela no niomanako

Izay napetrakao teo an'tanako, ho tanako mafy

Ho reharehan'ireo dimby sy taranako


Mahatsiaro ireo tsikinao indraindray iny

Manantena, mbola hihaona indray andro

Veloma ihany (yeah.veloma fotsiny ihany, mandram-pihaona)

Tsy ho adinonay, ny anaranao


Fisaorana, ary sady veloma fotsiny ihany

Amboaro ilay toerana hihaonantsika indray andro any

Eny, fahasambarana ny any

Izahay koa nefa eto hiezaka hanohy ireo nofinao mamy

Tsiaro, rehefa mandeha ilay feom-baliha fararano

Velon'tsiky sy manantena fa efa nomenao tso-drano

Indraindray tojo semban'drahona miely, sendra mandeha

Fa mahery amin'ilay fiainana kely, tsy mirehareha


Mandram-pihaona indray anie

Veloma soa zareo

Hifankahita indray anie

Masina ianareo

+

      -   or   -

      -   or   -

      NG +234
          -You can log in via below methods-
          Reset password via e-mail
          -or-
          Reset password via e-mail
          Feedback on resetting password
          * It may take a longer time

          Please Select A Playlist

          Add New Playlist

          Share on

          Embed: Love & Light EP

          Custom Size :

          • Default
          • Desktop(300*600)
          • Mobile(300*250)

          Type :

          • HTML/HTML5 (WordPress Supported)
          Get Boomplay Premium
          for
          Payment Method
          Pay With
            Review and pay
            Order Date
            Payment Method
            Due Today
            Flutterwave
              Subscription Successful

              Congratulations! You have successfully activated Boomplay 1 Month Premium.

              Now you have access to all the features of Boomplay App.
              Payment Failed

              Please check your balance and then try again.

              You'll lose your subscription if we don't have a working payment method for your account, so please check your payment details.
              Need help? Contact Boomplay Subscription Support.
              Payment Processing...
              10 s

              Payment is being processed by . Please wait while the order is being comfirmed.

              Payment Processing
              Your order is processing, and it may take up to a few days for the service provider to handle your payment. Please kindly stay tuned and check your order status in ‘User Center’.
              About Order Status