Zaraiko x AnnieJ Lyrics
- Genre:Hip Hop & Rap
- Year of Release:2021
Lyrics
Ny ahy zaraiko amin'ny fomba tsotra
Tsy manank'atolotra fa noezahako mihintsy hoe ny ao anatin'ny foko no hitsotra
Tsy ilaiko porofo ara-materialy, fa amin'ny natoraly
Ny tanana ihany ny ahy no atsotra
Inoako fa hoe sarotra raisina
Satria tsy hitan'ny maso tsy hita ivelany, tsy hita na akakaizina
Marina hoe fa hery ao anaty no fohazina
Sarotra no hilaza hoe avadiko mazava ny maizina
Ekeko, mety hoe tsy hitovy amin'izay omen'ny olona no omeko
Tsy midika zany hoe fahalemeko,tsy haiko
Mifampitaiza ny fitiavako sy ny kolontsaiko ka zay ny mahatonga ahy
Mizara an'izay nomaniko tato an'tsaiko
Ny harena anaty aho manana maro
Tsy manana sandry fa ireny apinga ho zaraiko mba hiaro
Rehefa ny fo mifangaro no homen'danja miharihary
Mivaha daholo izay misakana rehefa iny miara-miary, isika
Ho zaraiko izay ahitako azy hoe mety
Ka mba raiso ô..eo mba ho ento any
Foiko omena izay tsara ato anaty
Ka mba raisô
Hiaraka hanana elatra hanidina eny
Na vola aman'karena tsy handaitra
Satria moa lefy raha mizatra sahady miaina amin'ny haitraitra
Hiara hianatra isika hiaina ny mamy sy mafaitra
Rehefa vita izay
Izay atao rehetra mety sy mie-raitra
Fiadanana anaty, izay no ezahana ho tratra
Mahay mifandray am-po no himasoana amin'izay tsy mifandratra
Loharano tsy ho ritra, ary tsy ho hay ho afatra
Ho zaraiko hanome aina sy hiboiboika ao an'tratra
Nangoniko toy ny hery fiarovana hiorenako amin'ny fototra mafy
Any indray andro andeha hiara-hioty izay nafafy
Na iray segondra monja mandalo tsy ho avela ho nofy
Satria oa nahafantatra nihafy
Tsy afeniko, zaraiko am-pitiavana, ary tsy ho neniko
Raha misy tsy mety ny teniko
Tsy olana iny ho areniko
Ny mpanenjika any aoriana, tsy ahoako, tsisy henoko
Satria maro ny nomaniko ato anaty diam-peniko
Hiainga
Ho zaraiko izay ahitako azy hoe mety
Ka mba raiso ô..eo mba ho ento any
Foiko omena izay tsara ato anaty
Ka mba raisô
Hiaraka hanana elatra hanidina eny
Atolotro aminy foko manontolo
Zaraiko,Afoiko manontolo
Dia anjakantsika ny eo amin'ny tontolo,iadanana
Tsy hoe ory, tsy hoe manana fa omeko izay an'tanana
Raha mety aminao, ndao handramana
Raha tambiny manokana,tsoriko, tsy miandry aho
Fahatokisana ihany dia efa manana saina mandry aho
Tsy mifaninana amin'iza na iza, fa hiaraka hamisavisa hamakivaky ireo andro iainana sisa, yeahhh
Samihafa ny lasitra tamin'ny nitaizana
Mety raha ny Fo mafana no hifandiso mazana
Mila, mifankalala mba hanome fahazavana
Efa dila ny sy ela ilay hoe fahazazana
Lasa, lasa alavitra rehefa manam-pinoana
Raha misy tsy ampy, dia izay hita eny an-dalana am-pifamenoana
Raketiko an'kira, any indray andro ho tsaroana
Dia amin'izay fotoana izay, ny fitempon'ny fon'tsika no henoina
Miaraka
Ho zaraiko izay ahitako azy hoe mety
Ka mba raiso ô..eo mba ho ento any
Foiko omena izay tsara ato anaty
Ka mba raisô
Hiaraka hanana elatra hanidina eny