![Kintana niserana](https://source.boomplaymusic.com/group10/M00/11/30/d25d0f4a2e3a4cacb5532dd7f00e9e2aH3000W3000_464_464.jpg)
Kintana niserana Lyrics
- Genre:Hip Hop & Rap
- Year of Release:2024
Lyrics
Tratra harivariva an-dalana
Raha namisavisa irery
Ka sendra tojo ilay sampanana
Niady ihany ny tsy ho very
Ny any sisa nianteherana
Dia ireo kintan'ny avaratra
Soa ihany fa tsy mba semban-drahona
Ka niandrandra lanitra
Tampoko
Yeah
Tsy mba nampoiziko ah
Mba sendra
Nitsikin'ny vitana
Kintana
Namirapiratra
Nanjelatra
Tanaty fotoana fohy
Nahateny izay faniriako aho
Na dia gina tsy nahahetsika
Ny fo nihovitrovitra
Nentiny aho nisidisidina
Tafiakatra izany lanitra
Tafiala izao tontolo izao
Hasambarana toa tsisy farany a
Ilay foatoana anie ka tafajanona a
Tontolo samy hafa nifandona
Tsy voakajy izay mety ho olana
Mety handoro anefa raha tsy hay a
Ny foko anefa efa may a
Ohohhhh
Toa avo anie izany lanitra e
Mahatazana izao rehetra izao
Mahavariana sady mahafinaritra a
Manoatra aho ny zaza milalao
Tokony hidina aho
Anefa afaka e
Tsy afaka hitanila aho
Fa tamana miaina fiadanana
Ny niafarako ho lasa kintana
Oh oh oh oh oh
Oh oh oh oh oh
Oh oh oh oh oh oh oh oh ohhh
Oh oh oh oh oh
Oh oh oh oh oh
Oh oh oh oh oh oh oh oh oh ohh
Kintana
Namirapiratra
Nanjelatra
Tanaty fotoana fohy
Fa nanazava ny fanahy
Kintana
Namirapiratra
Sendra mba nandalo niserana
Nanjelatra
Tanaty fotoana fohy
Fa nanazava ny fanahy
Kintana
Namirapiratra