Mankasitraka anao Lyrics
- Genre:Latin music
- Year of Release:2024
Lyrics
Raha mifanena amin'ny mpanjaka aho dia miondrika
Toy ireny Koreanina miarahaba olona
Raha nomena zava-tsoa misaotra hatrany
Toy ny mpianatra voasazy naverina an-dabilio
Raha afaka fanadinana aho dia nidera An-Jagnahary
Toy notsaboin'ny dokotera dia salama raha narary
Raha momba aho no nahazo zaza dia niantso mafy hoe:
Makasitraka anao fa ianao no nanome
Maro no vitanao nampihaiky ahy tokoa
Vehivavy masiaka toetra fa dia misy ambo-po
Raha mahita ny endrikao aho dia zary mahery
Toy ny boka man-jiro anaty fangalampery
Omaly aho nanetsa dia androany aho hijinja
Raha aminao tsy laviko ny lova tsy mifindra
Amin'ny fiainana ny fitiavana no lehibe indrindra
Ireo mpankahala ataontsika mivindavinda.
Mpanjaka vavin'ny foko, ilay fitia tsy mety hisinda
Tsy hatakaloko vozongo na dia hoe aty finda
Raha nisy tsy nety nataoko dia hiezaka aho handrindra
Toy Ntaolo Ejipisiana nanamboatra ny piramida
Mankasitraka anao noho ireny vitanao deraiko enao
Tsapako tokoa ary avy amin'ny fo fa mino anao aho
Mandrary lasa fanavotana ho ahy ilay anto-pisianao
Tsy mba haiko ny hisaotra fa mirary ny soa indrindra ho anao
Lay lay lay lay lay lay lay
Lay lay lay lay lay lay
LaLay lay lay lay lay lay lay
Lay lay lay lay lay lay lay lay lay
Lay lay lay lay lay lay lay
Lay lay lay lay lay lay
LaLay lay lay lay lay lay lay
Lay lay lay lay lay lay lay lay lay
Izany tokoa anisany no tsy afoizako anao
Hafa noho ny hafa raha ny ao anatiko ao
Na orana mikija masoandro mitatao
Tafiotra rivo-doza izy ho avy avelao
Tsy mba ampy hanozona ilay fototra efa mafy
Lamaban'akoho hoy ny Ntaolo atao fitafy
Betsaka ny fietsiko mety efa nambabo
Tsy mifidy alahamady io na alakarabo
Fa ny foko efa manaiky ny saiko efa manaja
Resaka razoky io fa tsy hoe dolan-jaza
Mihitsy hatramin'ny farany io fa tsy havilavila
Hezahina hikirizana fa tsy hankinina sanjila
Fa ny fitia efa nekeko, endrika efa nekeko,
Toetra efa nekeko, inona no tsy nekeko?
Kilema tsy maintsy misy fa fanahy no hojereko
Raha sanatria tsy misy lavaka ny saiko no tereko