
I Mody (Live) Lyrics
- Genre:Others
- Year of Release:2023
Lyrics
I Mody (Live) - Samoëla
...
Leo ny mandainga ho anao hono izy,
ilay mody atao hoe izao
Leo ny mamitaka ny havany izy,
maratra ny ao anaty fony ao
Leo ny manoroka anao hono izy,
ilay mody atao hoe tia
Manaintaina, mijaly, tomany,
marary nefa dia tsy maintsy hafenina ery
Iny mariazy iny ihany
no mahatonga azy mbola eo ihany
Rehefa iny aloha ny hazo fijaliany
na tsara na ratsy iny,
iny ihany rehefa iny
Iny alitara iny ihany
no mahatonga azy mbola eo ihany
Ny dikany ilay hoe ho doria
tsy maintsy miaritra ery
rehefa misy mania
Leo mitaraina aminao hono izy
ilay mody atao hoe niova fo
Leo ny fosan'ireo namany izy
sady menatra no marary an-doha
Miandrandra mafy an'izany hono izy
hoe iny ianao mba hiova tokoa
Fa ho ataony avokoa izay sitraponao
raha izay no tianao