
Safidiko Lyrics
- Genre:Gospel
- Year of Release:2023
Lyrics
Tsy sahy hisaina akory (aho)
Izay mety ho fiainako
Raha tsy misy Anao ry Malalako
Tomany isan'andro, fahoriana lalandava
Raha tsy eo Ianao
Tsy sahy hisaina akory (aho)
Izay mety ho fiainako
Raha tsy misy Anao ry Malalako
Tomany isan'andro, fahoriana lalandava
Raha tsy eo Ianao
Ianao no safidiko e
Tsy misy atakaloko Anao
Andriamanitro fa tiako loatra Ianao
Kanto ny fisianao ato amin'ny fiainako
Andriamanitro tena tiako loatra Ianao
Ny hampifaly Anao sy ny hitia Anao
No tena tanjoko amin'izao fiainako izao
Babonao tanteraka ny foko
Anao aho
Ianao no safidiko e
Tsy misy atakaloko Anao
Andriamanitro fa tiako loatra Ianao
Kanto ny fisianao ato amin'ny fiainako
Andriamanitro tena tiako loatra Ianao
Tsy hijery hafa intsony aho fa Ianao no fahasambarako
Tsy hiherika intsony aho, hiara-dàlana Aminao
Tsy hijery hafa intsony aho fa Ianao no fahasambarako
Tsy hiherika intsony aho
Ianao no safidiko e
Tsy misy atakaloko Anao
Andriamanitro fa tiako loatra Ianao
Kanto ny fisianao ato amin'ny fiainako
Andriamanitro tena tiako loatra Ianao