
Sariaka Lyrics
- Genre:World Music/Folklore
- Year of Release:2012
This song is not currently available in your region.
Lyrics
Oh Sariaka ny fitsikinao
Dia mibaliaka manodidina anao
Mampisokatra fijery sy ny saina teritery
Mampamoa varavarana izay malaina namana
Fiverenana
Mahavariana ahy, mahavariana ahy e
Ny nazakanao ahy, amin'ny tsikitsikinao e
Oh Sariaka mety va ianao
Hiaraka isika ho any Ambalavao
Mifampitositosy anaty taxi-brosy
Mampiondakondana lalana miolakolana
Tsy lavitra ny dia, rehefa mifankatia
N'aiza n'aiza aleha, dia vetivety be
Fiverenana
Mahavariana ahy, mahavariana ahy e
Ny fitondranao ahy, amin'ny tsikitsikinao e
Oh Sariaka mila kafe mafana izao
Tonga soa isika maraina eto Ambalavao
Manitra ny kafe gasy, nasiana siramamy gasy
Tapaky ny kopy vy fa nofenonao fitia
Fiverenana
Mahavariana ahy, mahavariana ahy e
Ravoravo ny fanahy, amin'ny tsikitsikinao e
Tsara ny mofo gasy, ka aza milasilasy
Tsisy fady fa tena fy sahazan'ny mpifankatia
Fiverenana
Mahavariana ahy, mahavariana ahy e
Ravoravo ny fanahy, fa tsena ny eto Ambalavao e
Famaranana
Oh Sariaka